Actualités

Rongony 15 kilao avy any Ambalamainty Tratra tao Mahajanga


  • Alatsinainy 17 Novambra 2014

Ramatoa iray avy any Ambalamainty Port- Bergé no saika hikasa hivarotra rongony milanja 15 kilao tao Mahajanga no sarona’ny mpitandro ny filaminana tao anatin’ny taksibrosy. Araka ny fanazavana azo dia natao tao anatin’

ny sakosy mainty ireo zava-mahadomelina ireo ka noho ny fisavana natao no nahatratrarana azy ireo. Niaiky ity ramatoa nitondra ireo rongony fa tena saika amidy ao Mahajanga ireo entana ireo ary misy olona hafa ihany koa no miara-miasa aminy amin’ny fandraisana ny entana ao an-toerana. Natolotra ny fitsarana ity ramatoa ity ny zoma teo taorian’ny fakana am-bavany azy nataon’ny mpitandro ny filaminana. Mandeha kosa anefa ny fikarohana ilay namany mpandray ny entana ao Mahajanga.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT