Actualités

Rojo Andrianasolo Mankahery ny Ben’ny tanŕnan’Antananarivo


  • Alatsinainy 29 Aogositra 2016

Niverina nivahiny tamina fandaharana amin’ny haino aman-jery indray, io omaly io, rehefa elaela tsy heno, ilay mpandraharaha mpitantana ny ivontoeram-piofanana momba ny teknolojia E-Media,

Rojo Andrianasolo, izay fantatra ihany koa tamin’ny fanampiana ankizy sahirana tamin’ny alalan’ny fandaharana amina fahitalavitra tsy miankina iray eto an-drenivohitra. Nilaza ny hiato mandritry ny fotoana maro eo amin’ny firotsahan-kofidiana ho mpitondra eto amin’ny firenena moa ny tenany noho ny fahitany fa maloto loatra ny fanaovana politika eto. « Niniana tsy nobeazina », hoy izy, ny Malagasy, hany ka « tsy maharaka na inona na inona izay mitranga » ao amin’ny fireneny. Tsy misy anefa, hoy ny tenany, ny afa-miala amin’ny fanaovana politika satria adidy io. Izany, hoy izy, no antony nanampiako ireo ankizy sahirana noho ny fahatsapako fa “manana adidy tokony hatao amin’ny mpiara-belona amiko aho”. Tsy mila tafiditra anaty fitondrana akory vao afaka manampy ny mpiara-belona ary izany no tena atao hoe politika satria mikatsaka hatrany izay hahasoa ny rehetra. Nankahery ny Ben’ny tanànan’Antananarivo moa ity mpandraharaha tanora ity amin’ny firosoana amin’ny fanadiovana ny tanànan’Antananarivo. Betsaka, hoy izy, ireo mpanao politika manao satriko aza maratra ka manararaotra ny fihetsiketsehan’ireo mpivarotra amoron-dalana hanaovana azy ireo ho fitaovana politika. Ny fanontaniana mipetraka anefa dia ny hoe : “vonon-kandroso isika sa tsia ?”.

Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT