Actualités

Rodolphe Ramanantsoa Nisy ambadika ny fahafatesany ?


  • Alakamisy 08 Septambra 2016

Mbola mitohy ny resaka mikasika ny fahafatesan’ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo, Rodolphe Ramanantsoa tany Mahajanga ny 20 aogositra 2016 teo.

Omaly dia nitondra ny heviny mahakasika izany Atoa Serge Zafimahova, mpahay toekarena. “Mampiahiahy” iny fahafatesana tampoka iny ary “mety misy ambadika”, hoy izy. Mety ho tsy fifankahazoan-kevitra tamina tetikasa iray lehibe momba ny angovo saika hapetraka teto Madagasikara no antony. Anisan’ny nanda sy nitsivalana tamin’ilay tetikasa ingahy minisitra, hoy Atoa Serge Zafimahova. Nanolo-kevitra ny mba hitsinjarana izany ho fananganana foibe famokarana herinaratra mihodina amin’ny riandrano madinidinika ho tombontsoan’ny faritra maro fa tsy vitsivitsy fotsiny ny tenany. Mety ho lonilony mikasika io hevitra nijoroany io no antony raha dinihina ny fanehoan-kevitr’Atoa Serge Zafimahova. Ny fampitam-baovao mikasika iny raharaha iny rahateo toa niovaova ka tsy nahalalan’ny mpanara-baovao izay tena marina.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT