Aorian’ny fahavitan’ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia vao tokony hisokatra ho an’ny rehetra ny Rocade eny Andohatapenaka, hoy ny CRBC (China Road and Bridge Corporation).
Hosokafana manomboka anio ho an’ny besinimaro afa-tsy ny fiarabe anefa ity fotodrafitrasa ity, araka ny toromariky ny filohan’ny Repoblika tamin’ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny Fampitaovana Rafidimanana Narson. Noraisina moa io fanapahan-kevitra io ho fanalana ny fahasahiranan’ny fifamoivoizana efa manempotra an’Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina nandritra ny lahateny fitokanana lalana nataon’ny filoha Rajaonarimampianina Hery teny an-toerana omaly. Fanamby goavana rahateo ity vitan’ny CRBC tao anatin’ny fe-potoana tena tery nandritra ny enim-bolana nanamboarana ny ampahan-dalana mirefy 2,5 km amin’ny 4,759 km manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ity, hoy ny tompon’andraikitra avy amin’ny orinasa sinoa. Tsy vita tanteraka kosa ny fotodrafitrasa raha tsy tontosa ilay fandrakofana farany mirefy 5 sm maharitra 10 andro aorian’ny vanim-potoanan’ny orana miaraka amin’ny fampiasan’ny mponina azy, araka ny fandaharam-potoanan’ny orinasa. Niantso ny tsirairay mba ho tompon’andraikitra ny filoha nandritra ny kabariny. Ilaintsika ny fihavanana amin’ny fampandrosoana ny firenena, hoy izy. Aoka mba hohajaina ihany koa ny fotodrafitrasa tahaka izao ka atao tena hentitra ny fampiharana ny lalàna. Aoka koa tsy hirona any amin’ny resaka fitsaram-bahoaka izay tadiavin’ny sasany omena vahana eto isika, hoy izy. Tsy mbola vita tsara ihany koa moa ilay lalam-baovao mampitohy an’Ivato sy Tsarasaotra saingy efa azo ampiasaina ihany amin’ny fivorian’ny Frankôfônia. Mbola manaporofo hatrany ny tsy fahamatoran’izao fitondrana HVM izao ny tsy fahavitan’ireo fotodrafitrasa ireo ara-potoana. Henatra lehibe ho an’ny firenena fa eto Madagasikara ihany hatreto no hoe “ampiasao aloha ny lalana na dia tsy vita aza”. Hidedahana amin’ny vahiny fotsiny angamba fa rehefa vita ny fivoriana dia mitohy indray ny fanamboarana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.