Actualités

Roalahy voatifitry ny zandary Tena novonoina ny zanakay,hoy ny fianakaviana


  • Alarobia 29 Janoary 2020

Raharaha nafampana tao Toamasina ny fahafatesana tovolahy miisa 2 antsoina hoe Gaston Gauchy sy Jeannot Nomenjanahary 20 sy 22 taona ny 17 janoary hifoha 18 janoary teo.

 

 

 Nifandipatra ny hevitry ny zandary izay nanitrikitrika fa tena jiolahy izy ireo. Niezaka nandiso izany kosa ny fianakaviana, ary amin’ny maha avy any amin’ny faritra Sud-Est, ka nisy ny fivorian’izy ireo ny alahady lasa teo tao Toamasina. Nilaza ny tsy hanaiky mora foana izy ireo. Nisy ny fanadihadiana natao, izay marihina aty am-piandohana fa tsy natao hanenjehana velively ny zandarimariam-pirenena fa kosa resaka nifanaovana tamin’ny fianakaviana amin’ny fivoaran’ny raharaha.

Tia Tanindrazana (TT) : Fa inona marina izany no niseho satria ianareo manitrikitrika fa tsy jiolahy izy ireo kanefa ny zandary dia manamafy fa saika hanao asa ratsy izy ireo no nifanehitra taminy ?

Fianakavian’i Gauchy sy Jeannot (FGJ) : Amin’ny maha tanora herotrerony azy ireo, dia tara fodiana izy ireo ka rehefa tonga teo akaikin’ny trano fonenany, dia nisy savorovoro nitranga teo amin’izy samy mpinamana ka niteraka ady teny an-dalana aloha kelin’ny “trois chémin” Ambolomadinika. Vokatr’izany savorovoro izany dia nisy niantso “Patrouille” ka tonga tamin’izany ny fiaran’ny zandary niaraka tamin’ireo “Eléments” marobe. Voalazan’ny vavolombelona nanatri-maso fa tsy nampirehitra jiro io fiara io nanatona an’ireto tanora niady ireto. Tamin’io savorovoro io no nitifitra tao anatin’ny haizina. Araky ny voalazan’ny olona nanatri-maso dia tsy nisy fampitandremana ny tifitra nataon’ireo zandary ary avy hatrany dia bala tena izy no nampiasaina. Bala 4 (efatra) no nahafaty ny zanakay.  Voatifitra teo amin’ny vavafony dia nivoaka tao andamosiny i Gauchy, mbola voa teo amin’ny kibony dia nivoaka tao amin’ny tratrany, ary ny bala fahatelo nahavoa ny tongony. I Jeannot voatifitra teo ambany helika ka nivoaka tao amin’ny andilany ka nahazo ny fony. 

TT: Ahoana no niainana ny taintaina teo am-pahenoana ny nanjo azy mirahalahy ?

FGJ: Ireo zanakay rehefa voatifitra dia mbola velona tsara zareo no nentin’ny zandary. Porofon’izany dia nandefa “sms” tamin’ny mamany i Jeannot tokony ho tamin’ny 02:50 kanefa 2:27 teo ho eo izy voatifitra, izay porofoinay, satria io findain’i Jeannot io misy “code” satria “android”. Tsy “possible” mihitsy hisy olona hafa handefa “message” raha tsy izy. Nantsoin'ny mamany  izy afaka 30minitra teo dia nisy nandray fa tsy niteny, angamba ireo zandary, avy eo dia lasa “messagerie” ilay finday, ka heverina fa dia nafenin' ireo zandary ilay “Phone” sy CIN sy “portefeuille” sy kiraro satria raha olona tena mpanendaka sy manao ratsy ireo zanakay dia, tsy hitafy kiraro zany, tsy hitondra CIN amin'ny anarany izany, tsy hitondra finday lafo vidy sady amin'ny anarany izany,..... Gaga izahay fa raha nanao taratasy tany amin’ny tranom-paty (morgue) ireo gendarmerie dia fantany ny laharan'ny CIN sy Anarana, ny mombamomba ny zanakay. 

TT: Inona ny fihetsiky ny mpitandro filaminana rehefa nanitrikitrika ianareo fa tsy jiolahy izy roalahy ?

FGJ: Rehefa maty ireo zaza ireo dia naterin’ireo zandary tany amin’ny tranom-paty Hopitaly be Toamasina ary nolazaina fa dahalo. Ary ny tena loza dia efa saika naka sary ny razana nametrahana fitaovam-piadiana tsy fanta-piavina ny razana teny amin’ny tranom-paty kanefa noho ny razana tsy navelan’ny fianakavina nalaina sary dia nandamoka ny teti-dratsin’ireo zandary. Vao mainka tonga namendrofendro no nataon'ny zandary sy miaramila. Aiza ka zaza vonoinao ary mbola lotoinareo fa hoe Dahalo sy jiolahy. Avy eo indray ianareo no milaza miala tsiny ary mody mamangy amin’ny fahorianay,.... 

TT:: Efa nitory sy nandefa taratasy tany amin’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny ianareo. Nanao ahoana ny tohiny ?

FGJ: Nandefasana tany amin’ny Fiadidian’ny Repoblika, Primatiora, Sekretariam-panjakana miadidy ny zandarimaria,… fa hatreto mbola tsy nisy valiny. Izahay dia maheno avy amin’ny zandary namana zanakay faritra « Sud Est » miasa aty Toamasina, fa ireo olona namono ny zanakay ireo dia efa matetika ny manao « bavure » sy hadalana raha manao « patrouille », fa zanak'olona ambony izy ireo ary misy mpiara-dia tsy mety voasazy, dia izy izao namono amin'ny fomba feno habibiana ny zanakay izao. Efa nisy haino aman-jery maromaro avy any Antananarivo tonga nanao fanadihadiana anay, saingy tsy nisy namoaka, fa tratry ny tsindry !

TT:: Mbola manam-pinoana ve ianareo fa hivoaka ny heverinareo fa marina hanaporofoana fa tsy jiolahy ny havanareo ? Inona izany no angatahinareo amin’ny fanjakana ?

FGJ: Ny zavatra takianay dia mba ho fanadihadiana na “ENQUÊTES MIXTES” fa tsy ny zandarimeria namono ny zanakay ihany koa no hanao fanadihadiana, mba tsy hisian'ny fitongilanana. Mora fantarina ny nahavanon-doza amin’izao raharaha izao satria ny « patrouille » dia manana “chef d’éléments” mpibaiko ary ny basy nampiasaina dia azo hamarinina amin’ny “rapport d’usage de munitions” nataon’ny “Eléments” tsirairay. Tsy ny zandarimaria no torianay, fa ireo zandary « patrouilleurs » nahavanon-doza tamin’io ary mitaky ny fampiharana ny lalàna velona izahay satria vono olona niniana natao (homicide volontaire) izay heloka araka ny voalazan’ny andininy 295,304 amin’ny fehezan-dalàna famaizana izany. 

Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT