Taorian'ny fanadihadiana nataon'ny mpitsara mpanao famotorana dia tazonina vonjimaika eny Antanimora izy mirahalahy nidaroka ilay mpisolovava teny Antanimena ny sabotsy lasa teo taorian`ny fakana am-bava azy ireo.
Nametraka fahazoan-dalana manokana noho ny fiarovan'ny lalàna azy ihany izy roalahy ireo ho fiarovan-tena ahafahana manenjika ilay mpisolovava. Taorian’ny fihainoana azy ireo teny Anosy omaly dia nalefa vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora ireo roalahy tamin`ny 4 ora hariva. Mbola eo am-pikarohana ilay lehilahy fahatelo niara-namono ilay mpisolovava niaraka tamin’ireto nadoboka am-ponja ireto. Tsiahivina fa vesatra telo (3) no hanenjehana azy telolahy namono dia fanambanana basy olona, fampitahorana olona miaraka amin`ny basy hita maso (menace avec arme apparente) ary vono sy ratra niniana natao. Raha mihoatra ny 21 andro ny tsy fahafahana miasa (repos medical) dia ny andininy faha-309 no mihatra, ka hatramin`ny 5 taona ny fanasaziana. Raha latsaky ny 21 andro kosa dia ny and. 311 no ampiasaina ka enim-bolana hatramin`ny 2 taona ny sazy, araka ny maha fehezan-dalàna fahamaizana azy. Hatreto, tsy mbola fantatra ny fotoam-pitsarana sy ny fanadihadiana lalina azy ireo. Hanara-maso akaiky an`ity raharaha ity hatrany ny holafitry ny mpisolovava ary tsy hanaiky izay fanelanelanana avy aiza na avy aiza amin`ity raharaha ity, hoy izy ireo.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.