Roa lahy nitondra moto avy nanatitra ny sakaizany teny amin’ny fokontany Mahavoky-Atsimo no nitrosona tamin’ny arabe ny alin’ny alahady hifoha ny alatsiniainy
Vokany, potika tanteraka ilay moto iray izay nentin’i Rakry izay fantan-daza amin’ny fanamboarana moto ao Mahajanga. Ny lohany no nandeha voalohany ary notsenain’ny “trottoir”. Nandrika ny ra ny alina alahady teny amin’ny lalana mihazo ny bloc administratif. Nentina teny amin’ny hopitaly i Rakry ka tsy tana intsony ny ainy. Ilay namany izay niharam-boina niaraka taminy dia tsy mbola mahatsiaro tena hatramin’izao. Nahazo vahana tao Mahajanga ny fanaovan’ireo tanora pointe amin’ny moto ireny. Ny faran’ny herinandro teo dia moto miisa 5 no samborin’ny mpitandro ny filaminana fa nanao “pointe” ka nampidirana “fourrière” avy hatrany. Tokony hitandrina ihany ny rehetra amin’ny fampiasana ireny fitaovana ireny ary tokony hanao fiaro loha mba hirosoana amin’ny loza mety hitranga.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.