Actualités

RNM sy TVM Mpanao gazety roa «interdit d’antenne»


  • Alatsinainy 21 Desambra 2015

Tranga iray anisan’ny nanamarika ity 2015 hadiva hivalona ity, teto Madagasikara ny fanampenam-bava mpanao gazety.

Teo ny tsy namelan’ny fitondrana HVM ny MBS, haino aman-jerin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana hiverina hisokatra. Norahonana hakatona ihany koa ny VIVA Mahajanga, fananan’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina. Mitohy ny fanampenam-bava mpanao gazety, ary lasibatra amin’izany izao ny mpanao gazetin’ny haino amanjerim-panjakana. Roa lahy izy ireo, ny iray ao amin’ny RNM ny faharoa ao amin’ny TVM, no «interdit d’antenne», voarara tsy hahazo hiteny. Fitaterana vaovaon’ny antoko ivelan’ny fitondrana no voalaza fa antony.

Nifarana ihany ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimieram-pirenena, fa tsy nahita masoandro ny « Code de la communication », lalàna mifehy ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Tsy nandingana akory ny filankevitry ny minisitra moa izy io, na dia efa tamin’ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimieram-pirenena aza no efa nandrasana teny Tsimbazaza ny volavolan-dalàna mikasika azy io. Vokatr’io lalàna tsy mety tafita io dia manao izay tiany hatao ny fanjakana. Vitan’izao fitondrana HVM izao hatramin’ny nampiditra am-ponja mpanao gazety roalahy ary dia mbola mandrahona hampiditra hatrany, taorian’ilay resabe manodidina ny volabe fa nentin’ny mpanolotsaina manokan’ny filoha tany Frantsa tany.


Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT