Nandray an’ireo mpanjifa nahatratra hatrany amin’ny 1200 isa etsy amin’ny Mon Gouter Andrefan’Ambohijanahary nanomboka tamin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 12 antoandro ny sabotsy 17 oktobra teo ny fikambanana RNDC
mpiaro ny zon’ny mpanjifa notarihan’ny filohany Rakotorova Rabetsara Lita. Saika taratasy fitarainana mahakasika ny Jirama ny ankamaroan’ny nentin’ireo mpanjifa. Tao ny fitarainana mikasika ity delestazy tsy misy fitsaharany izay manimba zavatra ity, ny fitarainana amin’ireo faktiora tsizarizary voarainy (misy ny miverimberina, misy ny ratsy kaonty …), tao koa ny fitarainana tena marobe mikasika ireo « branchement » efa voaloa vola nefa tsy tafapetraka nanomboka tamin’ny 2008 ka hatramin’izao 2015 izao. Nisy koa ireo nitondra fitarainana mikasika ireo tany novidiany tamin’ireny tolotry ny « agence immobilier » ireny nefa tsy voasoratra amin’izy ireo mandraka ankehitriny fa misy andraso andraso lava. Nambaran’Atoa Rabetsara Lita fa noho ny fahatokisan’izy ireo marindrano ny RNDC no nahatonga ireto mpanjifa ireto nanatona avy hatrany tahaka izao ary tonga dia niditra nanatevina ny fikambanana avy hatrany koa izy ireo. Nahaforona hira vetivety mihitsy aza ireto mpitaraina ireto nanao hoe « O Ralita ô ô, O Ralita ô ô, vonjeo ny mpanjifa ê, ô ô Ralita â ». Nanapa-kevitra avy hatrany ny hangataka fanazavana any amin’ireo tompon’andraikitra voakasika izahay RNDC amin’ity herinandro ity, hoy izy, ka hanontany tsara ny hifaranan’ny delestazy ary amin’ny sabotsy faran’ny herinandro izao dia hitondra ny tatitra ho an’ireo mpanjifa etsy amin’ny tany malalak’i Antanimbarinandriana. Tsy hihemotra ny RNDC na dia efa nisy aza fandrahonana ny filohany amin’ny hoe azo hamoronana « dossier » tahaka ireny mpitarika mahery vava teo aloha ireny ianao.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.