Miverina indray ny sakan-dalana amin’iny lalam-pirenena faha-7 mihazo an’i Fianarantsoa iny. Anisan’ny toerana tena hitrangan’izany matetika eo Ambatofitorahana, Distrikan’Ambositra.
. Araka izany anarany izany dia tsy tazana ireo mpanakan-dalana fa mamely amin’ny tora-bato any ambadika any. Fiara mpitatitra niisa 4 avy any atsimon’ny Nosy no lasibatra sy vaky fitaratra ny alin’ny zoma teo. Nisy fiara nitondra skoto ho any Ihosy ary nandray zandary roalahy teo Ivato-Ambositra nifanena tamin’izy ireo ary nijanona namonjy. Nanao tifi-danitra avy hatrany ireo zandary roalahy sy polisy iray tamin’ireo skoto. Samy nanapoaka bala iray avy izy ireo, ka nitsoaka ireo dahalo nikasa handroba. Tsy nisy naratra moa ireo mpandeha na goavana aza ny fahavoazana tamin’ireo fiara niisa efatra izay vaky avokoa ny fitaratra anoloana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.