Tsy tahotra tsy henatra intsony ny ataon’ny mpitandro ny Filaminana amin’ny lalam-pirenena faha-5 Sambava – Andapa amin’ny fitakiana « ekôlazy »,
araka ny fomba fiantsoan’ireo mpamily azy, izay vola takian’izy ireo isaky ny mandalo ny fiara.
Tsy misy fisavana ny taratasy mombamomba ny fiara intsony eto fa avy hatrany dia mangarom-paosy, mamoaka vola ny mpamily vao afaka mandeha.
Araka ny filazan’ny mpamily dia 2 000 Ariary raha « zone Suburbaine » ary 5 000 Ariary raha « zone Régionale » no takian’ireo mpitandro ny filaminana isaky ny fiara mandalo.
Ny mahavariana dia avoakan’izy ireo miala ao anaty fiara mihitsy ny mpamily mba hahafahan’izy ireo mitaky azy io ka efa misy mpandray vola mipetraka ary amin’ny sisiny izay efa mitondra kitapo mihitsy asiana ny «ekôlazy» ireto.
Dia toy izao hatrany ve no avela hanjaka any SAVA ka handeha hizarana ny taranaka faramandimby ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.