Nataon’ny teo anivon’ny minisiteran’ny Asa vaventy angoan-tenda ny filazana fa hanjavona eny amin’ny lalam-pirenena faharoa ny
lavadavaka izay antsoin’ny mpahay azy amin’ny voambolana teknika hoe : « nid de poule ». Izay tsy mampiasa iny lalana iny, eny fa na hatrao Moramanga fotsiny angamba no hino an’izany, fa ny mpandeha any dia afaka mijoro vavolombelona fa fampiesonana izany. Mila fitandremana fatratra ny fandehanana amin’iny lalam-pirenena iny amin’izao, raha tsy te hahita loza. Nitarin’ny minisitera any amin’ny lalam-pirenena fahafito io hetsika « nid de poule » io. Misy ny asa atao, fa enga anie mba tsy ho tandrametaka, ka vita ny eo, lavaka ny eroa.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.