Nitrangana lozam-pifamoivoizana vao maraina teny Kianja Ambohimangakely omaly. Fandehanana mafy sy fifanenjehana no fototry ny loza.
Samy ao amin’ny zotra E mampitohy an’i Behoririka amin’Ambohimangakely ireo taksibe nifandona ireto, ny roa nifanoroka, ny fahatelo kosa nitrongy avy ao aoriana. Vokany, fiara telo no indray potika teo afovoan-dalana. Mpandeha efapolo naratra, fa ny efatra ambin’ny folo tamin’ireo no tonga teny amin’ny HJRA Ampefiloha ka voa mafy ny telo. Tapaka nandritra ny adim-pamantaranandro iray mahery ny lalam-pirenena faharoa vokatr’io loza io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.