Actualités

RN 4 sy RN 6 Mbola misy ampahan-dalana dibo-drano


  • Alakamisy 28 Janoary 2016

Mbola dibo-drano hatramin’ny omaly ny ampahan-dalana mampitohy an’Antananarivo amin’i Mahajanga, raha ny vaovao azo vokatry ny ora-nikija nitranga tany an-toerana ny herinandro teo.

 

 4 km  miala an’Ambondromamy no ahitana izany ka tsy vitsy ireo mpampiasa lalana no velon-taraina. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa vaky ny  fefiloha  mampifandray  an’i Mahajanga amin’Antsiranana amin’izao fotoana izao. Mikasika ireo traboina moa dia fantatra fa tsy mitsaha-mitombo izy ireo any amin’ny distrikan’i Mampikony. Tafakatra 3.925 mantsy izany hatramin’ny omaly raha mihoatra ny 1.000 ny ao Mahajamba, distrikan’i Mahajanga II noho ny fiakaran’ny rano 1 metatra sy 80 miala amin’ny tany. Vokany, velaran-tany manodidina ny 15.107 ha no dibo-drano ka ny 85 ha amin’ireo dia tanim-pambolena avokoa. Ho an’Antananarivo manokana dia fantatra fa efa mahatratra 5.000 ankehitriny ireo traboina tato anatin’ny herinandro. Ho an’ny fihotsahan’ny tany manokana dia mahatratra 12 ireo lasibatra. Mikasika ny fiakaran’ny rano kosa indray dia ireo monina amin’ny faritra iva no tena misedra olana tanteraka.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT