Actualités

RMTF sy ny resaka ifotony Tsy matotra fomba fiasa


  • Alakamisy 15 Septambra 2016

Nikasa hanatanteraka fivoriambe tetsy amin’ny EPP 67 ha Avaratra Atsinanana ny hetsika politika Rodoben’ny Malagasy tia tanindrazana ho an’ny fanorenana ifotony na RMTF ny talata teo mba handinihan’izy ireo sy izay rehetra resy lahatra amin’ity hetsika ity amin’izany resaka fanorenana izany.

 

 Raha efa lasa avokoa ny fanasana natao tamin’ny raikipohy fa hiatrika izany mandritry ny tontolo andro tao amin’ity sekolim-panjakana ity ny alatsinainy teo dia ny andro hanatanterahana azy mihitsy vao fantatra fa nafindra toerana any an-tranona mpikambana RMTF indray ilay fivoriana. Manoloana izany dia lasa ny fanontanian’ireo mpanara-baovao hoe angaha moa tsy efa nifanarahan’ny avy eo anivon’ny MMF na ilay hetsika politika Malagasy mivondrona ho amin’ny fanorenana ifotony fa tsy misy mivory samy irery izany intsony ? Ary faharoa, hatraiza marina no tanjon’ireto hetsika ireto, tena hanatanteraka ilay fanatonana isam-pokontany tokoa ve sa sarintsariny fotsiny no hatao ? Raha ny marina dia mbola taratry ny tsy fahamatoran’ny fomba fiasa aloha hatreto no hita.

Faralahimatoa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT