Actualités

Rivotiana Richard Jean Bosco Ahiana ho tapaka ny RN-7


  • Talata 20 Janoary 2015

Ahiana ho tapaka ihany koa tahaka ny any Ambatondrazaka ny lalam-pirenena faha-7 raha tsy voajerin’ny fanjakana haingany ny eo amin’ny fihaonan-dalana Mananjary-Tanà-Fianarantsoa izay efa simba no mbola nampian’ny nafitsoky ny sikilaonina indray, hoy ny depiote Rivotiana Richar

Jean Bosco voafidy tany amin’ny distrikan’i Lalangiana. Maro ihany koa any amin’iny Faritra Atsimo Atsinanana iny miainga any Lalangina no simba avokoa ny trano sekoly maro ka tsy afaka miditra antsekoly araka izany ny kilonga maro amin’iny faritra iny. Nambaran’ity depiote ity moa, araka ny maha-filohan’ny kaomision’ny atitany sy fitsinjaram-pahefana azy fa mafimafy tokoa ny ady hevitra mikasika ny fizaram-paritra notakian’ny depiote isan’isany narafitra tao anatin’ilay volavolan-dalana nodinihan-dry zareo ao anatin’ity fivoriana tsy ara-potoana ity. Na dia niakatrakatra aza ny feo tao Tsimbazaza omaly dia nolanian’ireo solombavambahoaka tonga maro nivory alinalina omaly io volavolan-dalàna io ka eo amin’ny manodidina ny 116 no isan’ny kaominina nolaniana fa hitsangana eto amintsika amin’izao Repoblika faha-4 izao. Nanaraka ny mason-tsivana efa nofaritan’ny ministera mpiahy ny nahazoana io isa io satria teo amin’ny kaominina 90 teo no narafitry ry zareo tao anatin’ilay volavolan-dalàna.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT