Tafiditra ao amin’ny fari-dranomasina Indiana ny alahady lasa teo ilay rivodoza Kenanga niforona tany amin’ny fari-dranomasin’i Indonesiana. Any amin’ny 3.500 km Atsinanan’i Madagasikara no nisy ny foibeny omaly ary ahiana hivadika ho Tempête Tropicale Moderée izy.
Tombanana hitombo hery hatrany koa i Kenanga mandritra ny 24 ka hatramin’ny 48 ora ho avy. Na izany aza, tsy hahakasika an’i Madagasikara ity rivodoza iray ity raha tombanana miisa telo ireo tsy maintsy handalo eto amintsika hatramin’ny volana aprily taona 2019. Ankoatra izay dia tombanana hivadika ho rivodoza ihany koa ny tangoron-drahona ao Avaratra Atsinanan’ny Nosy ato anatin’ny 2 na 3 andro ho avy. Tafiditra ao anatin’ny fiatrehana ny fifidianana izay ho filoham-pirenena izany amin’ny ankapobeny ka arahi-maso akaiky ny fivoarany. Mikasika ny fiomanan’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary amin’ny fiatrehana ny fotoam-pahavaratra moa dia fantatra fa efa tsy mitsahatra ny manofana olona izy ireo ankehitriny hanaitra sy hampianatra ireo mponina eny amin’ny faritra iva, raha vantany vao misy zavatra mitranga.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.