Actualités

Rivodoza HALEH Tsy hisy fiantraikany eto amintsika


  • Alatsinainy 04 Martsa 2019

Nisy rivodoza miforona eo amin`ny fari-dranomasina oseana indianina ny zoma alina lasa teo. Efa tafiditra aty amin’ny fari-dranomasina Indianina ary mihamitombo hery io rivodoza io saingy

 

 

tsy misy atahorana amin`ny toetr`andro misy eto amintsika araka ny vinavinan`ny sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro eny Ampandrianomby. Ny sabotsy maraina no nomena ny anarana hoe HALEH io rivodoza miforona ao anatin`ny ranomasimbe indianina. Any amin`ny 2 888 km atsinanana Antsiranana no misy azy raha ny fanambaran`ny teknisianina. Hitombo hery izy io saingy hikisaka any Atsimo mandritra ny fivoarana ao anatin`ny 3 andro ho avy. 65km isan’ora ny fandehan`ny rivotra miaraka amin`ny rivodoza ary arahin`ny tafiotra 90km isan’ora. Tsy hahakasika an’i Madagasikara iray manontolo kosa ity rivodoza ity, raha ny vinavinan’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro hatrany saingy hisy oram-baratra amin`ny tapany atsimon`ny nosy raha toa ka maina ny faritra hafa. Hanorana malefaka ihany koa ny morontsiraka Atsinanana manontolo amin’ny ankapobeny.  Mahakasika ny maripana indray, tsy dia misy fiovana firy raha eto afovoan-tany, izay eo anelanelan’ny 25°C ny ambany indrindra ary ny maripana ambony ao anatin’ny 28°C. Arahi-maso akaiky ny fivoarany hatreto.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT