Actualités

Rivodoza « Enawo » Tena mahery vaika


  • Talata 07 Martsa 2017

Anio talata 7 martsa eo anelanelan’ny amin’ny 9ora maraina ka hatramin’ny amin’ny 12 ora antoandro no mety hiditra tanteraka an-tanety ny rivodoza “Enawo”, raha ny tomban’ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro, ka eo anelanelan’Antalaha sy Cap Masoala no hidirany.

  Omaly tamin’ny 9 ora maraina dia tany amin’ny 400 km Avaratra Atsinanan’Antalaha no misy ny foibeny. Rivodoza mahery i “Enawo” ary mitondra rivotra 140 Km/ora sy tafiotra hatrany amin’ny 195 Km/ora manodidina ny ivony, goavana ity rivodoza ity satria mahatratra 500 km ny habeny. Mikisaka miakandrefana izy ary nanatona an’i Antalaha amin’ny hafainganam-pandeha 10 Km/ora. Hamakivaky ny afovoantany izy ny 8 sy 9 martsa 2017. Noho izany dia mihatra ny fepetra mikasika ny filazana loza manambana ho an’ny faritra DIANA, Sofia, SAVA, Analanjirofo, Alaotra Mangoro ary Atsinanana. Filazana fanairana kosa ho an’ny faritra Boeny, Betsiboka, Analamanga, Bongolova, Itasy, Vakinankaratra ary Amoron’i Mania. Vokatr’ity rivodoza ity dia efa  nijohy ny orambe any amin’ny faritr’i SAVA sy Analanjirofo hatry ny omaly. Voatery noravana mihitsy ny mpianatra tany Antalaha . Mahery vaika ihany koa ny onjan-dranomasina ka ilazana sy ampahafantarina ny mpiandriaka mba hijanona an-tanàna ao anatin’ny andro vitsy hisorohana ny loza mety hitranga, hoy ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetry ny andro.

Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT