Actualités

Rivodoza Enawo Nahery indrindra tao anatin’ny 13 taona


  • Alarobia 19 Aprily 2017

Maherin’ny 450 tapitrisa dolara ny tentim-bidim-pahasimbana nateraky ny rivodoza Enawo, izay nandalo teto amintsika farany teo, raha ny tombana savaranonando navoakan’ny banky iraisam-pirenena.

 Ny fotodrafitrasa no tena  be potika raha mitaha amin’ny lafiny fambolena. Faritra 2 no tena lasibatra dia i SAVA izay nahitana fahasimbana hatrany amin’ny 168 tapitrisa dolara sy Analanjirofo 30 tapitrisa dolara. Nahavoakasika ny 4%-n’ny harinkarena faobe ny fandalovan’i Enawo izay niteraka fahavoazana hatrany amin’ny 207 tapitrisa dolara teo amin’ny fambolena lavanila ho an’i SAVA sy DIANA ary fahasimbana mivantana mitentina hatrany amin’ny 164 tapitrisa dolara no hita tao anatin’izay seha-pihariana izay. 100 ny toeram-pitsaboana rava, 3.300 ny efitrano fianarana simba, 40.000 ny trano simba ary hatrany amin’ny 430.000 ireo olona traboina. Ahafahana mamantatra ny fanarenana tokony hatao, hoy ny minisitry ny vola sy ny tetibola ny fahafantarana ireo. Enawo no rivodoza nahery indrindra hatramin’ny taona 2004, raha ny fanazavana hatrany.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT