Na dia mbola nahitana rotsak’orana ihany aza teto an-drenivohitra omaly alakamisy25 janoary dia fantatra fa efa nanalavitra antsika eto Madagasikara ilay rivodoza Eketsang.
Nihena ihany koa ny heriny, raha araka ny vaovao azo teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby. Tany amin’ny 250 km atsimon’i Faux Cap no nisy azy omaly maraina. Velom-panantenana ny rehetra raha niaina tao anatin’ny hamandoana lava teo aloha. Vokatr’io rivodoza Eketsang io dia efa mahatratra 5.773 ireo traboina eto amintsika ankehitriny. Mihoatra ny 1.000 ny trano dibo-drano ankoatra ny lalana tapaka toy ny mitranga any Ambilobe ankehitriny. Ankoatra ireo dia olona maro ihany koa no namoy ny ainy toy ireo 16 mianaka tetsy Tsimialonjafy. Ho an’ny distrikan’i Morondava manokana dia marobe ireo traboina amin’izao vokatry ny fiakaran’ny ranomasina.
Pati
.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.