Raha toa ka efa nisitaka lavitra ny morontsiraka atsinanan’i Madagasikara ilay rivodoza Bansi, dia mety hivadika rivodoza amin’ity alakamisy ity kosa ilay andro ratsy niforona tao amin’ny lakan-dranon’i Mozambika, ka mety hiditra an-tanety ao Morondava rahampitso
zoma raha ny vinavinan’ny sampandraharaha mpamantatra ny toetry ny andro.Hisalotra ny anarana Chedza ity andro ratsy ity rehefa mahafeno ny fepetra maha rivodoza azy.Tany amin’ny 450 km avaratra andrefan’i Morondava no nisy ny foibeny omaly hariva, mahatratra 35 km isan’ora ny fikisahany ary hatreto aloha dia manodidina ny 40 km isan’ora ny rivotra entiny.Noho ny hatevin’ny rotsak’orana tato anatin’ny roa herinandro ihany koa izao dia efa namoaka ny fampilazana sy fampitandremana ny amin’ny mety hisian’ny fiakaran’ny rano ny sampandraharaha mpamantatra ny toetry ny andro ka ny faritra voalohany tena atahorana amin’izany ary dia ny faritra Menabe sy ny tapany avaratra amin’ny faritra Atsimo Andrefana ; voakasiky ny fampitandremana ihany koa ny faritra Boeny, Alaotra Mangoro ary Analamanga.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.