Actualités

Rivo Rakotovao Nitokana ny toby miaramila RFI Ivato


  • Zoma 18 Janoary 2019

Manoloana ny famindram-pahefana anio eo amin`ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha vaovao, Andry Rajoelina, nilaza ny filoham-panjakana, Rivo Rakotovao fa tsy tombontsoa ambonin`ny firenena ny fambolena korontana.

 

 

 

Nambarany fa efa miroso lalina ny demokrasia eto amintsika ka tokony apetraka izay tombontsoan`ny firenena. Iray andro mialoha izany famindram-pahefana izany dia tonga nitokana ny toby RFI vaovao teny Ivato ny filoham-panjakana. Ity toby vaovao ity no  fotodrafitrasa lehibe indrindra natokana ho an'ny tafika malagasy eran'ny nosy ary hanampy azy ireo amin'ny fitandrovana ny filaminana sy fiarovana ny vahoaka. Manana velarana 12 Ha ny toerana hipetrahan`ity toby, misy trano miisa 31 ary manana “heliport”, na toerana fiantsonana angidim-by. Tonga nanome voninahitra ny lanonana ara-miaramila omaly ny tenany niaraka tamin`ny mpikambana eo anivon`ny governemanta, manamboninahitra sivily ary miaramila. Zava-dehibe loatra ny fisian`ity toby vaovao ity raha ny nambaran`ny filoha mpisolo toerana na izany aza dia niaiky ny tenany fa mbola misy fahatarana ihany ny nananganana ny toby toy izao mba hiasan`ny mpiasam-panjakana ary mila ezaka lehibe izany, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT