Actualités

Rivo Rakotovao « Manahirana io vidin-tsolika io »


  • Alakamisy 13 Jona 2019

Vita ny tatitry ny tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), andrasana ny fampidinana vidin-tsolika. Araka ny fanamby nataon`ny filohan`ny Repoblika, tsy maintsy hahena ny vidin-tsolika ary efa nanaiky izany ireo mpandraharaha, hoy ny minisitry ny vola Randriamandranto Richard.

 

 

“Mitarazoka ela be loatra ilay izy kanefa efa hatramin`ny taona 2010 no nitadiavana vahaolana”, hoy kosa i Rivo Rakotovao, filohan`ny Antenimierandoholona. Tamin’izany no efa nitady « verité des prix » natao hitsinjovana mpanjifa ary samy mahatsapa fa mavesatra amin’ny firenena ilay manome “subvention. Ny olana, hoy izy, isika tsy mahafehy sady tsy manana fitaovana hifehezana ny vidin’ny solika eny ifotony. Tamin`ny taona 2010, isam-bolana dia nisy foana ny fifanarahana fiaraha-miasa (convention) ka mifanaraka fa izao no vidiny aloha isaky ny voalohan`ny volana. Inona ary ny fitaovan’ny fanjakana ? Tsy manana afa-tsy ny fanamboarana ny fe-potoana fandoavana ny hetra eny amin’ny fadintseranana. Olana mipetraka anefa amin`ireo mpaninjara solika : tsy afaka mandoa ny FER (fonds d`entretien routier) satria izy ireo mbola mandoa haba. Nanamafy i Rivo Rakotovao fa samy manana ny marina ny roa tonta saingy sarotra ny kajy. Raha tsiahivina, ny volana novambra 2018, 500 ariary ny elanelan’ny vidin-tsolika. Afaka manao fanagiazana tahirin-tsolika ny fanjakana kanefa raha jerena ny tahiry amin`ny ankapobeny dia iray volana ihany raha be indrindra. Raha tapitra ireo tahiry ka isika no hametraka ny vidiny tsy hipoaka ve ity firenentsika ity ? Mila fandaminana io ary ny lesoka lehibe efa tokony ho narenina hatramin’izay dia ny fanekena ny elanelana. Andao isika hitady marimaritra iraisana ka hifanaiky amina “structure differentielle” iray satria manahirana no mieritreritra fa vonjy tavanandro foana ny hifampiresahana ny masonkarena. Hatramin`izao, miditra ny banky iraisam-pirenena fa atao hahaleotena ny rafi-bidy kanefa tsy nivoaka izany nandritra ny efa-taona. Iaraha mahalala ihany koa fa nikatso ny rafitra ara-bolan`ireo toby mpamokatra solika ireo satria rehefa mihoatra ny 100 miliara ariary dia tsy mety manome taratasy fangatahana findramam-bola ho azy intsony ny banky. Inona no ataony ? Tamin’izany, 200 miliara ariary no elanelany (manque à gagner) satria isika mieritreritra fa mahazo vola be ireo olona ireo kanefa raha tsy mihena 100 miliara dia ilay rafitra no tsy maintsy mijanona. Tsy vita iray andro na herintaona ny fifampiresahana fa tokony hijery fomba fiasa hafa hahafahan’ny rehetra mifaninana. Tsy misy mihitsy ny mpifaninana ka ny vidiny ambany no ho ny masokarena. Mila mandalo dingana ny fifampiresahana ary apetraka ny tanjona fa raha misintona ny tady hihenjana dia isika no hifamotika satria tsy mahafehy sy mamokatra solika, hoy hatrany ny fanazavana. Laharam-pahamehana sy andrasana izany izao ny fampidinana ny vidin-tsolika sy ny fanatsarana ny famatsiana herinaratra avy amin`ny JIRAMA.

 

Marigny A. sy Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT