Actualités

Rivo R sy Lalatiana A Raikitra ny ady…


  • Alakamisy 09 Mey 2019

Ny alatsinainy 06 mey lasa teo no namoaka fanambarana maneho ny fisiana karazana sivana sy antsojay tsy fahafahan’ny antenimierandoholona mandefa vaovao amin’ny haino aman-jerim-panjakana TVM sy RNM Atoa Rivo Rakotovao, filohan’io andrim-panjakana io.

 

 

 

Novantaniny ny fisian’ny sakana ny karazana sivana noho fanomezana baiko ny mpiasan’ny haino aman-jerim-panjakana tsy handrakotra ny hetsika ataon’ny antenimierandoholona. Nisy mihitsy ny an-kivy natao, toy ny fakan-kevitra nataon’ny antenimieram-pirenena niarahana tamin’ny Friedrich Ebert, ny mpikamban’ny firaisamonim-pirenena sy ny mponina tany amin’ny faritra ary ny tompon’andraikitry ny orinasa QMM tany Tolagnaro,… hoy ny fanazavana. Andrim-panjakana ny antenimierandoholona, saingy minisitra no manao sakana sy sivana tsy hahafahana mampita vaovao tao anatin’ny haino aman-jerim-panjakana, raha dinihina. Toa hita taratra ao anatin’ny raharaha ny resaka HVM sy MAPAR. Namoaka valin-kafatra moa ny teo anivon’ny minisiteran’ny serasera sy kolontsaina izay nanambara fa gaga sy talanjona nanoloana ny fanambaran-dRakotovao Rivo. Nilaza io minisitera eo ambany fitantanan-dRamatoa Lalatiana Andriatongarivo io fa tsy nisy baiko avy aminy ny sivana ho an’ny andrim-panjakana iza na iza. Niresaka ny maha zava-dehibe ny hanokafana fanadihadiana momba io raharaha io ny  minisiteran’ny serasera, izay nilaza fa tsy nisy ny baiko hentitra tsy handrakofana ny hetsika karakarain’io andrim-panjakana io. Iza no diso sy marina ao anatin’ity raharaha ity ? Ny tsy azo lavina dia misy ambadika sy lonilony politika ny raharaha, kanefa misy fiantraikany amin’ny raharaha anatin’ny firenena.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT