Omaly tamin’ny 03 ora tolakantdro dia tany amin’ny 585 Km Avaratra Atsinanan’Antalaha no nisy ny foiben’ilay rivo-doza nampitondraina ny anarana hoe « Enawo ».
Mitombo hery hatrany izy io, ka 130 Km/ora ny rivotra hentiny ary tafiotra mahatratra 181 km/ora no manodidina ny ivony. Mikisaka miakandrefana somary Atsimo Andrefana izy ary manantona miadana an’i Madagasikara amin’ny hafainganam-pandeha 09 km/ora. Mety mbola hiakatra ho “Cyclone tropical Intense” izy alohan’ny hidirany an-tanety ny talata 7 martsa ho avy izao, ka eo anelanelan’i Foulpointe sy Antalaha no tombonana hidirany. Araka ny famaritan’ny manam-pahaizana dia ny kajin’ny tanjaky ny rivo-doza no hamaritana ny sokajiny ka raha eo anelanelan’ny 168 ka hatramin’ny 213 km isan’ora ny herin’ny rivotra entiny no ho hanasokajiana azy ho “Cyclone tropical Intense” , izay azo sokajiana ho efa mahery vaika. Raha ny vinavinan’ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetr’andro, dia hamakivaky ny afovoan-tany io rivo-doza “Enawo” io ny 08 sy 09 martsa 2017, ary atahorana handravarava mihitsy. Noho izany dia manankery ny filazana fanairana ho an’ny faritra Diana, Soafia, Sava, Analanjirofo, Alaotra Mangoro Ary Antsinanana. Hanomboka anio kosa ny orambe entiny any Sava sy Analanjirofo. Ilazana sy entanina noho izany ny mpampiasa ranomasina mba tsy hiandriaka intsony fa mihamahery ny ranomasina eo anelanelan’i Toamasina sy Antsiranana. Efa nanomboka mafy ihany koa ny rivotra halina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.