Actualités

Ritra ny volam-panjakana 40 andro sisa am-pelatanana ?


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2015

Tsy noresahana intsony ilay volavolan-dalam-panitsiana ny tetibola 2015 na dia tokony nodinihanamaika teny amin’ny antenimieram-pirenena aza, fantatra koa izao araka ny loharanom-baovao iray avy ao amin’ny minisiteran’ny vola sy ny fitantanam-bola fa efa tena manify ary kely sisa dia ho ritra ny vola ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana.

 

Famoahana sy fandoavam-bola hatramin’ny faran’ny volana novambra ihany sisa no ataon’ny fitondram-panjakana raha arak’io loharanom-baovao io, izany hoe vola ampiasaina mandritra ny 40 andro eo ho eo sisa no misy.Mbola misy kosa anefa ny handoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana hatramin’ny volana desambra, fa ny aorian’io kosa no mbola tsy fantatra.Re fa na ny fitaovana sy kojakoja ampiasaina amin’ny asa an-davanandro eny amin’ny ministera sy ireo biraom-panjakana maro samihafa aza dia efa olana be noho io vola am-pelatanana manify dia manify io ;miasa andro aman’alina ireo teknisianina sy tompon’andraikitra sasantsasany ao amin’ny ministeran’ny vola milalao ny tarehimarika saingy tsy hampiova na inona na inona izany satria ny vola mihitsy no efa tsy misy.Nanantena mafy ilay fivorian’ny mpamatsy vola tany Lima-Pérou ny 7 ka hatramin’ny 10 oktobra lasa teo ny fitondram-panjakana Malagasy kanefa dia nanantena tsy misy, tsy hisy ny famatsiam-bola ho azo amin’ity taona ity, ary ny mpamatsy vola dia tsy hanome vola mialoha ny fifidianana mihitsy noho ny ahiahy sao dia ampiasan’ny antokon’ny fitondrana amin’ny propagandy hampandaniany ny olony io vola io.Ka asa izay fahagagana ho ataon’ny mpitondra hamenoana ny banga :hindram-bola amin’ny banky ve, sa haka vola any amin’ny Sinoa sy ny Karana, sa hitango ireo orinasa goavana tahaka ny Ambatovy sy QMM sa… hampanamboatra vola tahaka ny fanaon’ny firenena Afrikanina sasany ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT