Actualités

Riribe “Tsy matahotra ny hosamborina aho”


  • Zoma 28 Oktobra 2016

Tsy matahotra ny hosamborina aho, hoy i Henri Rakotomalala na Riribe, raha mbola fitiavan-tanindrazana no hijoroako.

Ny tena mpanohitra mantsy dia tokony hanana fahasahiana hijoro amin’ny foto-keviny na dia maro aza ankehitriny ireo mpanohitra no efa voajonon’ny volabe afafy ka miezaka ny hamono ny tolombahoaka, hoy izy. Efa vita fihavanana tamin’ny vahoakan’Antananarivo ny tenako, hoy i Riribe etsy an-kilan’izany. Vao nivoaka ny fonja ny tenako tamin’ny volana martsa tamin’ny taona 2010, avy hatrany dia nivantana teny amin’ny Magro Ankorondrano nihaona tamin’ny vahoakan’Antananarivo. Raha raisina ho fahadisoana ny fanapahan-kevitra politika noraisiko tamin’ny taona 2002 dia efa nifonako tamin’ny vahoakan’Antananarivo sy tamin’Atoa Marc Ravalomanana na tsy mbola nihaona nivantana aza izahay mianaka hatreto.

Mikasika ny raharaham-pirenena ankehitriny noresahina dia tsy miova ny teny efa nataoko manao hoe : « heloka eo anatrehan’Andriamanitra  sy ny vahoaka Malagasy ny hangina manoloana izao fahoriana mihoapampana mahazo azy izao noho ny ataon’ny mpitondra ankehitriny. Ambarako, hoy i Riribe, fa mila mandray andraikitra avokoa ny tsirairay avy eto amin’ny firenena na ny vahoaka na ny mpanao politika mpanohitra  na ireo fiarahamonim-pirenena na ireo mpitondra fivavahana,  indrindra ireo mpitandro ny filaminana, hanala izao fitondrana mampijaly vahoaka izao. Sahy nanome toky ny vahoaka Malagasy i Riribe fa vonona hijoro hatramin’ny farany ny tenany hanohitra izao fomba fitondrana mamohehatra iainan’ny Malagasy. Araka ny fantatra anefa dia lasa nidina any Toamasina aloha ny tenany nanakaiky ny fikambanana Zatovo tarihany mialoha ny hitarihany fihetsiketsehana eto Iarivo ny 25 novambra izao. Azo antoka fa misy hifandraisany amin’ny resaka mety hisamborana azy izao fidinany tampotampoka any Toamasina izao.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT