Mbola naverin-dry zareo ao amin’ny FEDeP na ny Fédération des Ex-Déténu Politiques de Madagascar tarihan-dry Rakotomalala Henri na i Riribe sy ny namany fa ilaina ny fampihavanam-pirenena.
Mitaky izy ireo ny hampiharana azy io hatramin’izao ary vonona ny hanohana ity praograma efa nilokalokan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina fa tsy maintsy hatao eto amintsika ity sy vonona ny hanampy sy hanome tanana azy amin’ny fanatanterahana izany. Tsy mora anefa ny hanatanterahana azy ity. Amin’izao fotoana izao dia efa mitsangana ny “comité d’expert” izay hivondronan’ireo olona notsongaina tao amin’ny fiarahamonina, mpahay lalàna sy olon-tsotra avy amin’ny fiarahamonim-pirenena ka hamolavola ny “texte” hametrahana ny rafitra CFM izay hasolo ny FFM ho tapitra fotoam-piasana amin’ny volana febroary 2016 izao. Mampiahiahy anay FEDeP anefa ny fanambarana nataon’ny mpikambana sasany ao amin’io komity io nilaza fa tsy tokony handray anjara ao ireo olona tafiditra tamin’ny disadisa teto amin’ny firenena toy ny FEDeP nefa izahay no tena mahalala ny zava-misy marina amin’ity resaka ity. Tsy maintsy miditra amin’ilay rafitra izahay noho ny fahatsapanay fa mila mitondra ny anjara birikinay. Marihina fa efa natomboky ny FEDeP izay fivondronan’ireo gadra politika 2008-2015 ny fampihavanam-pirenena. Ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny ben’ny tanànan’Iarivo ankehitriny vadiny aza efa resy lahatra raha tsy nanaiky nanaovana izany fony nitondra noho ny torohevitra diso nomen’ireo mpanolotsaina azy. Efa tena latsaka an-katerena ny vahoaka, hoy i Riribe ka mahatoky ny fahendren’ny filoham-pirenena izahay.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.