Actualités

Rina Rasoava


  • Zoma 01 Aprily 2016

Nahazo fahafahana vonjimaika ilay mpandraharaha voalaza fa nanambana basy ny tonian-dahatsoratry ny gazety Ao Raha Rina Rasoava tany Carion ny alarobia teo.


 Omaly no niakatra fampanoavana ny raharaha. Nitsipaka marindrano ny fiampangana azy ilay mpandraharaha. Manizingizina kosa ny mpanao gazety Rina Rasoava fa tena fampihorohoroana sy fanaparam-pahefana no nihatra taminy. Amin’ny 6 aprily izao no hitsarana ity raharaha ity.

Alain Ramaroson

Tsy mila fahazoan-dalana izany ny fanaterana fehezam-boninkazo ho an’ireo maherifon’ny firenena, hoy i Alain Ramaroson. Efa tena tafahoatra ny zava-misy ankehitriny, hoy izy. Tsy te hahalala ity fitondrana ity intsony aho, hoy ny filohan’ny Masters ary tsy maintsy raikitra ny diabe fitakiana ireo nosy Malagasy amin’ny volana aprily na misy na tsy misy fahazoan-dalana.

Zandary

Filaharambe miampy fampisehoana maro samihafa sy hetsika ara-panatanjahantena no hanamarihana ny andron’ny zandarimariam-pirenena amin’ity  01 aprily ity.

Lylison

Nitsidika ireo ankizy voan’ny baomba mandatsa-dranomaso teny Antanimora ny 29 martsa lasa teo, omaly ny senatera Lylison sy mpikambana vitsivitsy avy ao amin’ny vondrona Mapar.

Rosia

Nitsidika ny filohan’ny antenimieram-pirenena omaly maraina ny masoivohon’i Rosia eto amintsika. Votoatin-dresaky ny fihaonana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny parlemantan’ny firenena roa tonta.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT