Actualités

Rina Rabemananjara 20 taona teo amin'ny tontolon'ny fanaovan-gazety


  • Zoma 29 Janoary 2016

20 taona no nilomanosan'ny namana Rina Rabemananjara teo amin'ny tontolon'ny fanaovan-gazety ka tamin'ny Radio sy ny Fahitalavitra no tena nahafantarana azy

 

. Nambarany fa maro ny zandry sy ny tanora no mirotsaka amin'io sehatra io. Ny tsapako anefa, hoy izy mahay izy ireny fa tsy ampy fahamatorana, hany ka sendra olana ny ankamaroany. Ho fanampiana azy ireny indrindra dia nanapa-kevitra i Rina Rabemananjara fa hanome fampiofanana etsy amin'ny efitranon'ny Garduc etsy Soarano trano misy ny “Bureau des normes de Madagascar” lalana mihazo an’Ambondrona ny alatsinainy izao ka hatramin'ny zoma 5 Febroary 2016 isaky ny amin'ny 2 ora sy sasany tolakandro. Eo ambany fiahian'ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara ity fampiofanana ity. Fantatra koa fa hiompana amin'ny atao hoe : "Journalisme d'investigation - technique et application" ny fiofanana. Nambarany koa fa tsy maintsy miainga amin'ny mpanao gazety amin'ny fahaizany mifehy ny asany no antoka iray lehibe hahazoana vokatra tsara ka hampihena ny fanenjehan'ny sasany ny mpanao gazety. Marihina fa anisan'ireo mpanao gazety malagasy vitsy nahazo fiofanana manokana tamin'ny Banky Iraisam-pirenena momba ny fanadihadiana lalim-paka sy ny fanatsikafonana eo amin'ny sehatry ny fanaovan-gazety i Rina Rabemananjara, taona vitsy lasa izay.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT