Amin’ny sabotsy 29 novambra 2014 ho avy izao ny fotoana miaraka amin’i Rija Rasolondraibe sy ireo tarika ara-pilazantsara hafa toa an’ny Antsa an’i Kristy, TDL, Zook davids, Gaefi…
Fampisehoana no sady tolo-tanana izy ity mba hanentanana ny olona hifanampy. Manomboka amin’ny 7ora dia efa hivoha ny vavahady amin’io sabotsy io ary mbola hisy ny fanangonana izay fohy sy voarain’ny tanana eny an-toerana. Olona ahafeno ny Coliseum no andrandrain’ny fikambanana Association Iray fototra niaingan’izao fampisehoana sy fifanoloran-tanana izao. Nandritra ny iray volana no efa nanomboka ny fanangonana ka akanjo, vary sy tolotra maro hafa no efa voaray. Holazain’izy ireo amin’ny fotoana manaraka kosa ny fomba hizarana ireo tolotra sy fanomezana rehetra ireo aorian’ny fampisehoana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.