Hiara-kihira amin’ireo olon-tsotra mpankafy azy i Rija Ramanantoanina, mandritra ny fampisehoana hataony etsy amin’ny CC ESCA Antanimena ny 30 septambra izao.
Hiarahany amin’i Lilie sy Landy ny tapany voalohany, amin’ireo mpankafy azy miisa dimy voafantina kosa ny tapany faharoa. Hafakely ny fandraisana anjara, araka ny fanazavan’ny Up Madagasikara, mpikarakara ny hetsika. Mandefa ny raki-peon’ny hiran-dRija izay tiany any amin’ny kaonty facebook Up Madagasikara ny mpandray anjara, miaraka amin’ny laharan’ny tapakila novidiana. Anisan’ny hitsara sy hifantina ireo mpandray anjara dimy hampiara-peo aminy i Rija Ramanantonina. Haparitaka manerana ny Nosy ny raki-peo hiarahan’ny roa tonta aorian’ny fampisehoana ankoatra ny DVD an-dRija hatolotra ho an’ireo dimy hivoaka ho mpandresy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.