Actualités

Rija Ramanantoanina Tena ankafizin’ny tanora


  • Alatsinainy 03 Oktobra 2016

Anisan’ireo mpanankato mbola tena mahaliana ny tanora i Rija Ramanantoanina. Tafakatra 561 mantsy ny isan’ireo olona naniry mafy ny handray anjara tamin’ilay fifaninana nihira ny hiran-dRija nandefa ny raki-tsary sy ny raki-peony tany amin’ny UP Madagasikara raha 263 kosa ireo nandray anjara.

Ny roa tamin’izy ireo ihany anefa no nibata ny fandresena  izay  tovovavy avokoa ary afaka niakatra an-tsehatra niaraka tamin-dRija ny alin’ny zoma teo tetsy amin’ny CC ESCA Antanimena.  Ireo karazan-kira ventesin’olon-droa nahafantarana an-dRija no tena nanavanana azy ireo tamin’izany toy  ny “tsy omaly intsony”, “hay ve ka nisy” . I Jessica Ramaniraka sy Randriamalala Felaniana  Tatiana no nibata ny amboara tamin’izany izay marihina fa samy mpankafy an-dRija avokoa no sady manga feo. Loka goavana natolotry ny UP Madagasikara azy mirahavavy moa ny fandraiketana anaty rakim-peo sy rakin-tsary ny hira nohirain’izy ireo  niaraka tamin’I Rija Ramanantoanina ka haparitaka manerana ny Nosy.

 

Pati

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT