Taorian’ny fitoriana napetrakay mikasika ny fifidianana farany teo dia nihaona tamin’ny tonian’ny fampanoavana izahay, hoy ny mpisolovava, Rija Rakotomalala.
Mbola tsy nahazo valiny izahay, ka noho izany dia mila mihetsika ny fitsarana mba tsy ahafaty fotsiny ny fitorianay. Raha tsiahivina moa dia ny mikasika ireo fitarainana sy fitoriana maherin’ny 200 isa tamin’ny fifidianana filoham-pirenena sy loholona farany teo no niverenan’ity mpisolovava ity nangatahana fandinihana vaovao indray ny volana septambra lasa teo saingy mbola tsy nivaly izany, hoy izy, hatramin’izao. Samy tsy misy antony amin’izay fotoana izay, na ny didy navoakan’ny fitsarana manokana momba ny fifidianana (CES) izay milaza fa any amin’ny fitsarana no tokony hanao ny fitoriana na ilay fitoriana natao. Ny lalàna mihitsy no mila ovaina, izany hoe, ny fehezan-dalàna mikasika ny fifidianana sy ny lalàna mikasika ny CENI izay iaraha-mahita fa marefo ny fahefan’ny CENI.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.