Actualités

RF2 Dio Amboditsiry Tetikasa vaovao ny famokarana «autoblocant»


  • Alarobia 10 Mey 2017

Mizotra tsara ny fanodinana fako ho lasa zezika sy saribao sahanin’ny Rantsana Fidiovana Fahadiovana Dio Amboditsiry.

Mamatsy ny fiaraha-monina manodidina no efa mivarotra ireo vokatra ivelan’ny fokontany ihany koa ny fikambanana, hoy ny filohany Ramanantenasoa Marie Claudine. Tetikasa vaovao himasoan’ny RF2 Dio Amboditsiry amin’izao fotoana izao kosa ny famokarana «autoblocant». Eo am-panombohana moa ny ketrika ka mbola vitsy eo amin’ny 30 isan’andro hatreto ny vokatra vita, araka ny fanampim-panazavan’ny mpitantana ny fikambanana. Laharam-pahamehana hisantarana ny asa ny fanamby fanamboarana ireo lalan-kely rehetra ao anatin’ny fokontany tsy nahazo famatsiambola avy amin’ireo fako plastika hita ao an-toerana ihany. Vonona hamatsy ireo vokatra «autoblocant» ilaina amin’ny fanatanterahana ny asa moa ny fikambanana. Fandraisana anjara andrasana avy amin’ny mponina kosa anefa ny fiantohana ny fasika sy ny fitadiavana ireo olona hiasa. Tanjona lavitr’ezaka ny hampiroborobo ny lalam-barotra toy ireo tetikasa roa famokarana zezika sy saribao, hoy ny fanamarihan’ny mpitarika ny RF2 Dio Amboditsiry.

Ramano F.  


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT