Fampiadiana ny vahoaka malagasy eto Antananarivo amin’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo ny filazana hoe fa maninona no tsy tamin’ny fahatongavan’ny Barea no niteny ny CUA hoe tsy amboarina ny kianjaben’i Mahamasina,
hoy ny mpanao politika sady mpanolotsain’ny tanànan’Antananarivo, Lalaina Rabezanahary, raha naneho ny heviny mikasika ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny serasera tao amina haino aman-jery tsy miankina iray. Misy antony, hoy izy, ny fandavana satria efa nisy fandinihana na “étude” natao tao. Maro ny toerana malalaka ary afaka manome tany hanamboarana kianja malalaka ny kaominina, hoy izy. Araka ny fanazavany hatrany kosa, ankoatra ny fahanteran’ny fotodrafitrasa ao Mahamasina dia mitahiry tantaram-pirenena ihany koa ity kianja ity. Misy vatomasina ao ka ho potika ny fototra tamin’ny faha mpanjaka raha io no kitihina, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.