Tonga nanotrona ny fankalazana ny andro iraisampirenena ho an’ny Onjampeo tetsy amin’ny Radiom-pirenena etsy Anosy
omaly ny solontena avy eo anivon’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny fanabeazana sy ny kolontsaina eto amintsika na Unesco notarihin’ny sekretera jeneraly misahana izany eto Madagasikara, Manda Ravelojaona. Ny hafatra, hoy izy, dia araka ny lohahevitra hoe « Samihafa, samy onjampeo, iray ihany isika. ». Izany hoe ny antom-pisian’ny onjampeo dia ahafahana mitondra lohahevitra marolafy ho an’ny fampandrosoana. Samy manana ny firehan-keviny sy hevitra tiany hampitaina kanefa dia isika rehetra samy mahatsapa izay maha iray izay. Nasongadina tamin’ny radio miara-manonja niarahan’ireo radio samihafa eto amin’ny firenena izany anio (TTF : Omaly), hoy hatrany izy. Mikasika ny vaovao izay milaza fa misy fitantanana tsy mazava sy tsindry ara-politika moa eo anivon’ny Unesco eto Madagasikara dia nanazava ity SG ity fa tsy mitombona izany satria eto Madagasikara dia misy ny atao hoe « antenne Unesco » sy « Comnat Unesco ». Tao anatin’ny fitantanako dia nifanarahana fa mba hisian’ny mangarahara dia ao amin’ny kaontin’ny Comnat no apetraka ireo vola ho an’ny mpiara-miombon’antoka. Izany hoe fantatra mazava izay vola miditra ao ary fantatra ihany koa ny ampiasan’ilay mandray azy. Manara-maso izany no anjaranay avy eo. Mpampiditra sy mpamoaka ary mpanara-maso ireo vola izahay fa tsy mpitantam-bola, hoy hatrany izy. Mikasika ilay resaka antoko politika dia mametraka ny maha tekinisianina ny tenako mialohan’ny zavatra rehetra aho, hoy izy, ary tsy fombako izany manao tsindry ara-politika izany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.