Mbola betsaka ny Malagasy matahotra miditra birao, indrindra ireo manan-draharaha eny amin’ny tribonaly momba ny resaka fananantany.
Io resaka fananantany anefa no tena itrangana olana eto amintsika. Anisan’ireny ny fifanitsahana titra, ny ady lova eo amin’ny samy iray tampo, ny tsy firindran’ny fanantany sy ny seha-pihariana, indrindra fa ny fambolena. Mba hahafahana mamaha ny olana araka ny tokony ho izy ary dia mitsangana ny fikambanana ny mpisolovavan’ny fananantany eto Madagasikara, sampandraharaha iray eo anivon’ny Foibem-pitondrana ankapobeny momba ny fananantany. Tanjona ny hampahafantarana ny zava-misy amin’ireo vondron’olona eny ifotony hahafahana mamaha ny olana sy hisorohana ny ady tany. Miaro ireo manan-draharaha eny anivon’ny tribonaly ihany koa ny fikambanana. Miatrika fiofanana mandritra ny dimy andro ireo mpikambana ao anatin’izany, hetsika nanomboka omaly.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.