Resaka famerim-bola. Raikitra ny sakoroka tamin’ireto mpianaka niara-nisotro tao anaty «bar » iray tao Mahavatse Toliara, ny alin’ny zoma teo
. Tsy nisy henatra na fifanajana na dia kely monja aza teo amin’izy mianaka, fa nifandramatra. Nokasihin-drainy tanana ity zanany niara-nisotro taminy. Samy efa mamomamo ka tsy nisy nahatsindry fo intsony. Naratra nokapohin’ny zanany tavoahangy ny rainy, 45 taona, ka vaky loha sy nivoa-dra mihitsy. Nentina avy hatrany namonjy toeram-pitsaboana ity farany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.