Actualités

Resaka fakana tany Misy misoloky sahady ny anaran’ny mpitondra


  • Sabotsy 26 Janoary 2019

Manomboka sahady ny fisandohana ny anaran’ny fitondrana ataon’ny mpanao ratsy ankehitriny.

 

Vaky taraina ny olona maro nanana ady tamin’ity vehivavy iray nilaza ho mpandraharaha momba ny tany monina eny Alasora fa ampitahoriny, ankehitriny, rehefa mitaky aminy ny tany noserainy. Mitonona ho mpanolotsaina ny filoham-pirenena ary mifanerasera amin’ny mpitondra ankehitriny, araka ny fahitana ny sariny amin’ny fampahalalam-baovao ity vehivavy manampatra fahefana amin’ny fianakaviana maro mitaky vola aminy ity. Fifampivarotana tany na fikarakarana taratasy momba ny tany no fototry ny ady satria nahazoan’io ramatoa io volabe 20 ka hatramin’ny 50 tapitrisa ariary tsirairay ny olona maro nifandraharaha taminy. Misy tompona tany novidiany teny Alasora izy ireo, misy koa nivarotany tany ankoatra ireo nampikarakara taratasin-tany azy. Nilaza ho mpiara-miasa akaiky tamin’ny vadin’ny filoham-pirenena izy tamin’izany fotoana ka tsy sahy nitory ny olona fa nitady marimaritra iraisana sy niandry ny sitrapony hatrany. Nampiasa fiarakodiam-panjakana avy tao amin’ny fiadidiana ny Repoblika rahateo izy ka naharesy lahatra ny mpiara-monina tokoa.

Saika hirongatra hanamafy ny fitakiany indray ireo voadonany izao satria efa rava ny fitondrana nolazainy fa nisy azy nefa izao ampitahoriny fahefana izao indray ka miantso fandraisana andraikitra avy amin’ny mpitondra mba hijery akaiky ny raharaha, hitandroana ny fahadiovan’ny fanjakana sy ny tan-dalàna. “Tsy fantatray na marina ny lazainy na fahaiza-miresaka fa atahoranay ihany izy satria mivezivezy malalaka amin’ireo toerana falehan’ny mpitondra ankehitriny tokoa”, hoy ny solontenan’ireo olona voarirarirany izay efa nivondrona, hikaroka ny lalana ahafaha-miala amin’ny vahohony, amin’izao fotoana izao ka mety hiafara amin’ny fitoriana azy.Nanamafy ny tompon’andraikitra izay nanontaniana fa tsy nisy olona nirahan’ny fitondram-panjakana handraharaha amin’ny resaka tany izany mihitsy, fa tena mpisoloky tsotra izao izay milaza izany.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT