Actualités

Resaka fakana tany ao Ampitatafika Niantso fifanatonana ny Ben’ny tanŕna


  • Sabotsy 29 Oktobra 2016

Misy olona milaza mikasika ilay parsely 87, seksiona BB, kantao Faliarivo, distrikan’Antsimondrano, ao amin’ny kaominin’Ampitatafika, hoy ny ben’ny tanŕnan’Ampitatafika, Raparaoelina Rado.

Io tany io dia vava lalana mampifandray ilay lalam-baovao ho an’ny vahoaka sy ny lalam-pirenena voalohany, raha ny fanazavany ary 4 taona izy io izay no niova tompo. Ny olona nilaza ho tompony dia efatra, hoy izy. Ny tompon’ny nividianana azy dia tao Lovabe. Tao no nisy lokony telo izay mbola velona ao Ampitatafika avokoa. Ny nividianana ny tany, araka ny fahalalany azy, dia mipetraka eny Anosizato ny iray, eny amin’ny fokontany atao hoe Antsimombohitra ny iray. Ny mahagaga, hoy izy, dia milaza ilay olona fa mipetraka amin’iny faritra iny ary mandalo amin’iny toerana iny kanefa dia 4 taona aty aoriana vao miteny. Faharoa, raha ohatra izy ka nanatona ny tompon’ny tany dia nasain’ilay olona nanatona ny kaominina. Manda tsotra izao nefa izy hanatona. Rehefa nanontaniana ny antontan-taratasy any aminy dia tsy manana izy fa “acte de notoriété » efa lozotra be no nasehony. Fahatelo, ny ben’ny tanàna dia mpandrindra, amin’ny ankapobeny. Rehefa misy tetikasa atao dia mitady ny tompon’ny tany dia mijanona hatreo mampifandray ny tompon’ny tany amin’ny mpividy. Miezaka ihany koa manao ny fanelanelanana amin’ny resaka fandraharahana ara-tany. Mbola velon’aina soa aman-tsara daholo, hoy izy, ireo nividianana ny tany. Milaza moa ity ben’ny tanàna ity fa vonona ny hifampiresaka raha mbola misy tsy mazava.

Mirija  


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT