Actualités

Resaka elikoptera Manazava ny tale jeneralin’ny ACM


  • Talata 09 Oktobra 2018

Nivoaka tamin’ny fahanginany omaly alatsinainy 8 oktobra ny tale jeneralin’ny Aviation Civile de Madagascar Atoa Andrianalison James manoloana ny resabe mandeha mikasika azy ireo ny amin’ny tsy namoahana alalana hahafahan’ireo angidimby miisa valo

 

nangatahin’ny Sky service hisidina eto amin’ny habakabak’i Madagasikara mandritra ny propagandy. Nambarany fa mangarahara ny asa tanterahina eo anivon’ny ACM tsy misy fijerena tavan’olona. Efa nahena ho roa volana aza ny fe-potoana hahafahan’ireo mpangataka mametraka ny fangatahany eo anivon’ny ACM fa tsy telo volana toy ny teo aloha intsony mba hahafahana manao zavatra haingana saingy tsy nisy nahatratra roa volana avokoa ireo mpangataka. Tamin’ny 11 aogositra ny fangatahana voalohany azon’izy ireo, hoy ny fanazavana raha tamin’ny 29 septambra ny farany. Ankoatra izay hoy ireo teknisianina eo anivon’ny ACM izay nanotrona azy dia  misy amin’ireo antontan-taratasy nalefa any amin’izy ireo no tsy misy sonia akory izay midika fa tsy ara-dalàna ankoatra ny filazana fa hangatahina hisidina eto Madagasikara ireo angidimby miisa valo ireo mba hitondrana namana hitsangantsangana fa tsy hitatitra olona hitety faritra hanaovana propagandy. Tena ilana fanazavana anefa izany, hoy Atoa Andrianalison James satria  mitaky fahaiza-manao bebe kokoa na ho an’ny mpamily ilay fiaramanidina  na amin’ny fiarovana ireo mpandeha  entiny. Ny  ratsy, raha avela malalaka ireo mpangataka angidimby fa tsy hanara-dalàna dia ny mety hiverenan’i Madagasikara ao anatin’ny annexe B toy ny teo aloha indray  ka tsy hahafahan’ireo fiaramadinina miainga eto amintsika hisidina any Eoropa intsony. Miantso ny amin’ny tokony hanarahan’ireo mpangataka angidimby ny ara-dalàna ny ACM. Tafiditra ao ny fisian’ny fifanarahana mazava eo amin’ny Sky service sy ny tompon’ireo angidimby ireo. Tsy latsa-danja koa ny tokony hisian’ny olona manara-maso ireny angidimby hisidina eto amintsika ireny toy ny fahazakana ny toe-tany  ny toerana hipetrahany…. noho ny fahafantarana fa efa marobe ireo  fiaramanidina efa sahanin’ny Sky service eto amintsika .

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT