Hendratrendratra ny olona teny ny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly maraina. Samy nikoropaka na ny mpiasa na ny mpandeha hiondrana amin’ny fiaramanidina na ny mpitsena olona vao tonga.
Navoaka ny trano ny olona tao anatiny, ny tany ivelany voasakana tsy hiditra ny faritry ny seranana. Tety ivelany vao samy manontany fa misy inona ? Vao mainka nihorohoro ny olona raha nandre fa nisy nametraka baomba manoloana ny banky iray ao anaty trano. Ny sasany indray nilaza sao mba tetika ataon’ny fanjakana hampandamoka ny frankôfônia izao, hanakonana ny tsy fahatomombanan’ny fandraisana. Efa ora iray taty aoriana vao fantatra fa hay fanazarantena hiatrehana ny ady amin’ny asa fampihorohoroana nataon’ireo rantsa-mangaika eo anivon’ny fitandroana ny filaminana Malagasy heverina ho manana ny traikefa sy angovo amin’izany ity niseho teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ity izay nampisavoritaka ny mpandalo. Toy ireny tena izy ireny mihitsy ary dia nampihorohoro tokoa. Enin-tonta ireo mpandray anjara ary dia samy nampiofanina mikasika ny tandrify azy avy na ny avy eo anivon’ny mpandrindra ny seranam-piaramanidina na ny ASECNA, miampy ny avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, ny polisy misahana ny habakabaka sy ny fadin-tseranana ary ny avy eo anivon’ny tafika sy ny minisiteran’ny fasalamam-bahoaka. Raha ny fampitam-baovao azo dia tanjona amin’izao fanazarantena izao ny hahatomombana an-tsakany sy an-davany ny lafiny fandriampahalemana eto amintsika.
Toe-draharaha hafahafa
Miha hafahafa hatrany ny toe-draharaha mikasika ity resaka asa fampihorohoroana ity eto amintsika. Volana vitsivitsy izay no nilaza ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier fa tsy misy afa-miala amin’io asa fampihorohoroana iraisam-pirenena io intsony eto ambonin’ny tany ary tafiditra ao i Madagasikara. Miteraka adihevitra mirirotra hatramin’izao ny fihetsik’ireo mpino silamo teny amin’ny Lapan’ny Fitsarana ny talata 20 septambra teo nikasika ilay disadisa anatiny nahatonga ireto mpino ireto hifampitory. Hafahafa ihany koa ny fanjavonan’ilay raharaha Tiorka mbola fifanolanana teo amin’ny samy Silamo ihany. Sanatria ho toy izao avokoa ve izany no ho santatr’ilay savorovoro mafampana ao anatiny ao ? Ny hamisavisana ny ratsy, hiavian’ny soa.
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.