Actualités

Resaka angovo -Jirama Nampiesona indray Rajao


  • Alakamisy 20 Oktobra 2016

Tsy mbola voafehy ny fisian’ny fifaninanana tsy ara-drariny eo amin’ny samy orinasa eto Madagasikara.

 

 Lasa mifandrafy ireo orinasa ka zary mifamono mivantana na an-kolaka. Nitondra ny heviny mahakasika izany ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina nandritra ny famaranana ny Fihaonana an-tampon’ny vondrona Comesa teny amin’ny CCI Ivato omaly. Nambarany  fa tokony hivelatra amin’ny fifaninanana ivelany toy ny eo amin’ny tsenan’ny Comesa  ny orinasa Malagasy.  Tokony hanampy ny mpandraharaha hivelatra sy hanosika azy ireo ny fanjakana saingy toa mitazam-potsiny ny olan’ny orinasa eto amintsika. Mikasika ny olan’ny angovo dia nambarany fa tokony hohetsehina ny fitrandrahana angovo miainga amin’ny herin’ny masoandro sy ny rano. Efa voarafitra ny politikan’ny angovo, hoy ny Filoha. Tsy nisalasala koa anefa ny tenany nilaza fa ny tsy fisian’ny fandaharanasa matotra no sakana amin’ny fampandrosoana. Toa mamely tena ihany ny tenany satria izy no lohan’ny firenena, izy sy ny mpitondra namany no mamolavola ny fandaharanasa hampandrosoana. Nampanantena i Hery Rajaonarimampianina fony izy kandida filoha fa azo foanana ao anatin’ny telo ka hatramin’ny enim-bolana ny delestazy eto Madagasikara. Toa vao maika miha mafy anefa ny olan’ny Jirama, roa taona sy tapany nitondrany ny firenena. Tsy izany ve ilay hoe mpitari-bato voilam-bava ?

 Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT