Actualités

Resaka ady tany Nofantsihan'ny fokonolona ny biraon’ny fokontany


  • Alakamisy 16 Martsa 2017

Raha ny fanazavana azo, olona mpivahiny nangataka tany tamin’ireo olobe teo an-tanŕna no niandohan’ny tantara. Taty aoriana, rehefa maty io olona io, dia nilaza ny taranany (R.J.B ) fa izy no tompon’ny tany, satria efa novidian-drainy roa alina ariary monja ny tanŕna iray manontolo, ny taona 1978.

 

     Mitohy ary niverina indray ny olana ara-tany mirefy 32a 38sa ifanolanan’ny vahoaka ao Mahavatse II (Villa Papohako TF n° 4333-CJ ) sy R.J.B  (mitonona tompon’ny tany vaovao ankehitriny), ka trano an-jatony maro no tsy maintsy hoesorina, ary olona 900 no tsy hanan-kialofana. Nanoloana izany, naneho ny hatezerany ireo fokonolona ka nitokona teo amin’ny biraon’ny fokontany Mahavatse II sady nametraka sorabaventy (eo amin’ny sary), ary namantsika ity biraom-panjakana ity mba ho fanairana ny sain’ny tompon’andraikitra mahefa. “ Tsy ekenay ny fanaovana tsinontsinona ny foko Vezo. Tsy matoky intsony ny fitsarana izahay, ary misy minisitra mialoka manao tsindry bokotra ambadik’izao fanesorana anay izao, ka mila vahaolana matotra raisin’ny  mpitondra izahay mba tsy hisian’ny ra mandriaka, satria tsy hiala amin’ny taninay sy tanànanay mihitsy izahay tompon-tany  na inon-kidona na inon-kihatra “, hoy ireo vahoaka. Nomarihan’ireo fokonolona fa efa nisy ny fitsarana an’ity ady tany ifanolanana ity ny faran’ny volana aprily 2015, ary foana ny fanesorana an’ireo olona tena tompon-tany tamin’izany, raha noroahina tamin’ny taniny ny 24 aprily 2015. Ny faran’ny herinandro teo anefa, nisy nanambara teny an-toerana fa hisy indray ny fitsarana hatao ny 15 martsa ho avy izao, amin’ny tsy maintsy hanesorana an’ireo olona iray tanàna, fa ilain’ny tompony ny tany, ary amidiny amin’olona ambony, ka io no nampitroatra ny hatezeram-bahoaka.

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT