Actualités

Resaka ady tany Lasa sorona ny zaza 4 hiatrika fanadinam-panjakana


  • Talata 09 Febroary 2016

Fahoriana ny an’i Mananjara Jaofera, raim-pianakaviana iray manana zaza efatra hiatrika fanadinam-panjakana amin’ity taona 2016 ity, hanala CEPE ny iray, BEPC ny roa ary BACC ny iray, fa tsy nomen’ny Kaominina kopian’ny sora-piankohonana hamenoana ny dosie fisoratana anaran’izy ireo.

 


Resaka ady tany tao amin’ny Fokontany Soahitra 1, no niandohan’ny tantara. Misy tany ifanolanan’i Mananjara Jaofera amin’ny rahalahin’ny Ben’ny tanànan’i Andratanamarina any Sambava, ny volana desambra 2015.

Mila mandoa vola 80.000 Ariary i Mananjara Jaofera, izay vao afaka handray ny fitarainany ny Kaominina. Tonga nitaraina tany amin’ny solombavambahoakan’i Sambava, Mamangy Norbet, izy ny zoma lasa teo, fa mavesatra loatra amin’ny tantsaha madinika ny vola aloa ao amin’ny Kaominina rehefa mametraka fitarainana.

Noraisin’ny Ben’ny tanàna, Leader Fanilo, ho fitoriana azy tany amin’ny depiote « Trano Kasaka » io fitarainan’i Mananjara Jaofera io ka tsy nahafaly azy. Hatry ny omaly, tsy noraisina ny fitarainany momba ny ady tany, tsy mbola nahazoany ihany koa ireo taratasy ilaina hamenoana ny antontan-taratasin’ireo zanany hiatrika ny fanadinam-panjakana, hany ka lasa sorona tsy fidiny noho ny resaka politika.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT