Tsy sanatria nympanao gazety akory no hoe faly hanakiana fotsiny ny mitondra fanjakana fa mba misimisy ihany ny olom-pirenena noresahana sy nanontaniana fa dia mitovy ny valiteny
hoe nandiso fanantenana ny kabarin’ny filoha Rajaonarimampianina ny 30 desambra lasa teo.Hany ka efa tsy dia manantena zavatra firy aminy sy ny ekipany intsony ny olona, nipoapoaka anie ny kabary teny Iavoloha herintaona lasa izay e ! fa inona akory ny teo :delestazy, asan-jiolahy, mpitondra fanjakana mitondra vola amin’ny baoritra sy sakaosy, mpanao trafikana boaderôzy avotsotry ny fitsarana…izany no zavatra hita sy re.Ny tena raharaha aza dia nirongatra indray ny fanondranana harem-pirenena tahaka ny sokatra ary mbola misy ihany kay ny bolabolana andramena tafavoaka an’i Madagasikara.Be loatra ilay kabary sy fampanantenana, ary rehefa manomboka mimenomenona ny olona dia mody alefa ndray aloha ny hetsika 100 andro , avy eo midoka tena ny governemanta fa hoe tratra hono ny tanjona napetraka.Efa tena hita mibaribary izao anefa fa miha mahantra ny Malagasy, na an-drenivohitra io na any ambanivohitra.Ny mpitondra na tompon’andraikitra sasany amin’izany tsy re feo intsony, tsy fantatra hoe nahoana ; ireo miteny isaky ny mihetsika indray tahaka ny efa manao resak’adala sisa, tsy mahafatatra akory izay ambarany fa maika hampisongadin-tena fotsiny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.