Ny 15 aogositra 1947 no afaka tamin’ny fanagejan'ny Britanika ny Indiana rehefa voazanaka nandritra ny taona maro. Nankalazaina omaly, ny tsingerin-taona faha-73 nahazoan'izy ireo ny fahaleovantenany..
Tsara homarihina la laharana faha-6 maneran-tany amin’ny tanjaka ara-toekarena i Inde, izany hoe efa maharesy an’i Frantsa. Hain’ny Indianina ny nisintona lesona tsara tamin’ny Britanika nanjanaka azy ka navadiny ho tombontsoa ho azy. Efa maro be, hatramin'ny taona 1954 ka hatramin’izao ny sehatra iarahan'i Inde miasa amin’i Madagasikara toy ny varotra, ny fambolena, ny fahasalamana, ny fampianarana, ny fizahantany. Hisy izao ny dia hitondrana mpanao gazety telo sy mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fizahantany telo avy eto Madagasikara ho any Inde amin'ity taona ity. Hotanterahina eto Madagasikara koa ny Festival de l'inde amin'ity taona ity. Nisolotena ny fitondram-panjakana ny minisitry ny raharaham-bahiny Naina Andriantsitohaina, tazana teny Analamahitsy ihany koa Atoa Marc Ravalomanana sy Ramatoa vadiny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.