Tsy kely lalana ny ratsy. Renim-pianakaviana iray handeha hihetsena faran’ny taona hividy entana tamina toeram-pivarotana ambongadiny tao Bazaribe Toliara no nisy nandroba ny 31 desambra lasa teo. Lasa tamin’izany ny lelavola 700 000 ariary
. Taitra saika safotra ity ramatoa ity fa tsy tao anaty poketra intsony ny vola rehetra nofonosina tao anaty “sachet”, nefa efa vita avokoa ny kaomandin’ny entana rehetra hovidina. Nitomany sady nikiakiaka toy ny olona adala very fanahy mbola velona ity ramatoa ity, ka io no nanaitra ny manodidina sy ny olona tao amin’ity mangazay ity, hoy ireo nanatri-maso. Raha ny tombatomban’ny niharam-boina dia mety ho izy nila posy ka saika hividy kilalaon-janany nefa nifanosika ny olona nanjifa tamin’io fotoana io no nanararaotan’ireo tontakely mpanao masobe tsy mahita nakana ny volany.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.